Ambohimangakely: Nitohy teny amin’ny EPP Behintsy ny « cantine scolaire »
Teny amin’ny EPP Behintsy indray no nanohizan’ny kaomininina Ambohimangakely ny hetsika fanomezana tohana ara-tsakafo (cantine scolaire) ireo mpianatra eny anivon’ny EPP. Samy mahazo ny anjarany avokoa ny mpianatra rehetra manerana ny kaominina, amin’ity hetsika famahanana sakafo ny mpianatra ity, araka ny voalaza.
« Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny kaominina amin’ny fanomezana ny tohana ara-tsakafo ny mpianatra ety anivon’ny sekolim-panjakana. Marihina fa mandrapahatapitry ny taom-pianarana 2023 no hanatanterahan’ny kaominina izany » hoy ny avy amin’ny kaominina Ambohimangakely.
« Hisaorana hatrany ny tomponandraikitry ny kaominina amin’ny ezaka asehony isan’andro amin’ny fanohanana ny mpianatra. Faly tokoa ireo ankizy misakafo ary manome hery azy ireo amin’ny fianarana ny hetsika tahaka izao » hoy ny tomponandraikitry ny sekoly.
Samy misitraka ity hetsika ity avokoa moa ireo sekolim-panjakana rehetra manerana ny kaominina ary misakafo in-telo na in-efatra isaky ny herinandro ireo mpianatra ao anatin’izany hetsika izany.
Manitra R.
