Mpanakanto iray nisy nitoraka teny ambony sehatra.
Mpanakanto mivoy ny gadona kilalaka no nisy nitoraka tamin’ny vato teny ambony sehatra tao Andolofotsy Miarinarivo ny alahady teo nandritra ny fampisehoana nataony. “Mbola manaraka fitsaboana aho ankehitriny” araka ny nambarany rehefa nitondra takaitra nandritra io seho nataony io.
Efa tratra ny nahavanona io fitorahana io araka ny fampitam-baovao. « Mila mailo antsika namana izay hanao fampisehoana ao fa tsy tahotra tsy henatra ny an’ireo mpanao ratsy. Ny tena nampalahelo dia mbola tao anaty ambiance ny olona no niseho ilay toraka nataon’ilay tsy mataho-tody » hoy hatrany ity mpanakanto ity. Salama tsara kosa izy na dia mbola misy ratra aza ny tarehiny.
Hasina Rasamimanana
