Inona ny Antoko ALEFA ?
Ny politika dia natao mba hampandrosoana ny firenena. Maro ireo antoko politika efa mijro ankehitriny ary isan’izany ny antoko ALEFA. Efa nijoro ara- ofisialy ny antoko Politika ALEFA (Ainga Lavitra Ezaka ho an’ny FAnovana), izay hivondronan’ny malagasy resy lahatra sy manana ideolojia sy etika eo amin’ny fanaovana politika. Mila olona resy lahatra tokoa mantsy ny fanaovana politika, tsy mivadibadika foto-kevitra sy antoko ijoroana, mila toetra mahatoky sy mijoro amin’ny foto- kevitra. Araka izany ny antoko ALEFA dia manaja ny mandala ny fifadimbiasam-pahefana sy ny demokrasia. Raha mandinika isika dia anisan’ny olana eto amin’ny firenentsika ny fivadibadihana sy fiovaovana foto-kevitra eo amin’ny mpanao politika izay miteraka tsy fahatoniana ara-politika izany hoy ny filoha mpanorina izany, Profesora Andriamanarivo Mamy Lalatiana. Noho izany dia mila fanatsarana sy fanovana ny fomba fanaovana Politika eto amintsika ka ny zava-dehibe dia ny faharesen-dahatra hampandroso hoy hatrany izy. Vonona sy mijoro hitondra izany fanatsarana sy fanovana fomba fanao politika izany ny antoko ALEFA hoy ireo mpikambana.Miantso ireo tanora sy mpikambana mijoro sy manana andraikitra ka vonona hanao politika tena hampivoatra ny firenena ka ho Malagasy mandray andraikitra izy ireo mba hampandros an’I Madagasikara.
Nicole Rafalimananjara
