SocialTsidika

Ambohimanga Rova : Hisy ny fitsidihana ny tanàna miaraka amin’ny Ortana

Misy ny hetsika karakarain’ny Ortana sy ny kaominina Ambohimanga Rova, « Andao hizaha an’Ambohimanga ». Ny 24 sy 25 Jona no hanaovana izany.

« Hitsidika ireo toerana manan-tantara ao Ambohimanga isika. Tanàna maro no ho hitantsika ao anatin’ny fotoana fohy. Maimaimpoana ny hetsika » hoy ny avy ao amin’ny Ortana. « Toerana manana ny hasiny i Ambohimanga. Harena be ho an’i Madagasikara noho izy mbola azo hitarafana ny kolontsaina fahiny » hoy i Rado, mpahay tantara.

Ny lalana hotsidihina voalohany dia any Mangabe, ny faharoa kosa Ambatondradama ary ny fahatelo any Ankazomalaza. Tsara raha misoratra anarana mialoha izay maniry handeha.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire