Andron’ny vehivavy : Mila tolo-tanana ny vehivavy malagasy amin’ny fihatrehany ny asany.
Tsy afaka eny ambavan’ny maro ny hoe : “fanaka malemy ny vehivavy”. Azo sokajiana ho marefo tokoa ny vehivavy noho ny toetoetra ara-batana hananany. Tsy manosika ny fiarahamonina, indrindra fa ny lehilahy, hanao herisetra amin’ny vehivavy ny kolontsaina Malagasy. Azo tarafina amin’ny oha-bolana sy ny oha-pitenenenana maro momba ny fifandraisan’ny lahy sy ny vavy. Azo lazaina fa efa betsaka ireo vehivavy miroso amin’ny fanaovana ny asa mitovy amin’ny an’ny lehilahy ihany. Ny fanohanana azy ireny ara-tsaina no antoka iray hahavitan’izy ireo ny asany, sy ny fiainana hatrehany. Efa marobe ihany koa ankehitriny ireo fikambanam-behivavy mijoro mba hanome lanja kokoa ny vehivavy sy ny tontolon’ny asa. Anisan’izany ny fikambanana viavy miketrika, miara-miasa amin’ny “chambre des métiers”. Nanohana azy ireo ara-pitaovana sy ara-bola ny fikambanana fitia, tarihin’i Mialy Rajoelina. Natao izany mba hampitaovana azy ireo eo amin’ny famokarana voan-kazo sy ranom-boankazo voajanahary. Ny fanohanana tahaka izao no mampahery ny vehivavy eo amin’ny fiatrehana ny asa hiantsorohan’izy ireo. Mahatonga azy ireo hanana fahazotoana ihany koa ny fankasitrahana azy eo amin’ny ezaka vitany.
Fanilo Rarivoarilala
