SocialTsidika

Ilaina ny manaramaso ireo hazo novolena.

Manatanteraka fambolen-kazo avokoa ny ankabeazan’ireo fikambanana sy mpiasa maro samihafa. Hita ho mifanesy izany tato ho ato. Mahatonga ny tsirairay hamboly hazo ny fahatsapana fa ilain’ny natiora izany ankehitriny. Hita tokoa mantsy fa antony mampiovaova ny toetry ny andro amin’izao ny fanimbana ny ala. Izany indrindra no mandrisika ny sain’ny maro hamboly hazo ankehitriny. Fanontaniana mipetraka ny hoe : raha vita ary ny fambolenkazo, ahoana no ahazoana antoka fa mitombo araka ny tokony ho izy sy ny eritreretina ve izy ireny ? Marina fa adidy tokony hatao tokoa ny fambolena, fa tena zava-dehibe tokoa anefa ny fanaraha-maso akaiky ireny hazo voavoly ireny. Tokony tsy hitsahatra eo amin’ny fitaomana ny olona hamboly hazo fotsiny ny ezaka hatao fa ilaina ihany koa ny fanarahamaso azy. Tanjona ny hahalavorary tanteraka ny fanirian’ny tsirairay. Mbola ady hafa atrehina indray mantsy ny fitsirihana ireny ka mahakamo ny olona matetika ny misaintsaina izany. Mbola betsaka ireo ala ripaka sy may vokatrin’ny goragora eny amin’ny fiaraha-monina. Tsy vitsy ihany koa ireo mangalatra ireny hazo ireny ho hampiasainy any amin’ny misy azy manokana. Mila entanina ihany koa ny olona araka izany hanara-maso ireny hazo novolena ireny. Ezaka very maina mantsy raha toa ka tsy misy izany. Ilaina hamafisina ny fanentanana eny amin’ny fiaraha-monina mipetraka eny akaikin’ny toerana novolena. Tokony sahy hijoro raha toa ka misy ny fanimbana tsy ara-drariny ny hazo.

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire