Tontolo iainana : Hanampy tosika amin’ny ady amin’ny afo ny mponina ao Menabe
Mitohy hatrany ny ady amin’ny afo eto Madagasikara. Isan’ireo mandray anjara mavitrika amin’izany ny komitin’ny vehivavy ao Marofandilia, ao Morondava. Mifandrimbona miaraka amin’izy ireo ny mpisehatra isan-tsokajiny toy ny Sefo Fokontany, ny tanora, ny olobe, ny vondrona sy fikambanana misehatra amin’ny tontolo iainana.
« Manentana sy manetsika ireo mpiray tanàna izahay hiara-hientana hiady amin’ny afo sy hiaro ny tontolo iainana. Ilaina ihany koa ny fifampizarana traikefa sy fanabeazana ary fandaminana mikasika ny hetsika tanterahana manoloana ny trangana afo » hoy ny solontenan’ny Komity. « Tsapan’ny rehetra fa adidy masina, ary mitaky asa maika ny ady amin’ny afo, ka niara-nankato sy nanao sonia ny velirano ifarimbonan’ny mponina ifotony hiadiana amin’ny afo sy ho fiarovana ny tontolo iainana ny mpandray anjara » hoy ny tatitra nataon’ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy. « Raha samy miara-mientana ho fiarovana ny tontolo iainana avokoa isika dia hilamina ny tontolo iainana, satria isika rehetra no miara-miaro ny nosintsika » hoy i Rado, manam-pahaizana mikasika ny tontolo iainana.
Tsy ny any Menabe ihany no tena tokony handray andraikitra fa ny manerana ny faritra rehetra mihitsy. Samy ahitana afo avokoa ny faritra rehetra. Mila mitandrina sy mifanentana mandrakariva isika samy vahoaka ho fiarovana ity nosintsika ity.
Nicole Rafalimananjar
