Fahasalamana : Vita ny asa fanavaozana ny CHRD II Bongatsara
Miezaka mikojakoja sy manome fitaovana ireo tobim-pahasalamana efa misy ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka amin’izao fotoana izao. Nisy ny fanavaozana ny CHRD II (Centre hospitalierde référence de district) Bongatsara, ao amin’ny Distrikan’ Antananarivo Atsimondrano, 16 km miala ny renivohitr’i Madagasikara raha manjohy iny lalam-pirenena fahafito iny.
« Amin’ny maha CHRD II azy izay dia mandray an-tanana ireo aretina ilàna fandidiana toy ny « appendicite », « hernie » izahay. Mandray an-tanana ihany koa ny fandidiana ireo vehivavy bevohoka saro-piterahana » hoy ny mpitsabo iray any an-toerana. « Mila fanatsarana hatrany ny kalitaon’ny fandraisana sy ny tolotra omena ny vahoaka eny amin’ny tobimpahasalamana miankina amin’ny fanjakana » hoy ny avy eo amin’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka tao anatin’ny pejy facebook-ny.
« Tena ilainay eto mihitsy ny toy izany, satria manjary tsy maintsy miakatra hopitaly ao amin’ny renivohitra ao foana rehefa marary na hiteraka ka mila didiana » hoy i Lalaina, mponina ao Bongatsara. Misokatra 24/7 ny toerana, ary vonona ny handray antsika mandrakariva ny mpiasan’ny fahasalamana.
Nicole Rafalimananjara
