ActualitésTsidika

Alasora : Mamaraparana ny fanamboarana ny « gradin » fijerena baolina ao Ambohidrazaka

Ao anatin’ny famitana ny fanamboarana ny « gradin » ao anatin’ny tetik’asa fanamboarana ny kianja synthétique ao amin’ny fokontany Ambohidrazaka, kaominina Alasora ireo tomponandraikitra amin’izao fotoana izao. Ho vita tsy ho ela izany ary hiroso amin’ny fanamboarana ny kianja, raha ny voalaza.

« Raha ny hita, efa tena mandroso ny fanamboarana ny kianja eto an-toerana. Mandeha ny asa ary tena hisaorana feno ny tomponandraikitra nanao izany ho laharam-pahamehana satria tena ilain’ny tanora ny kianja manaraka ny fenitra tahaka izao » hoy i Ferdinand, mponina ao Ambohidrazaka.

« Ny angatahana amin’ny tomponandraikitra aloha mba tsy hametraka sarany lafo be ho an’ireo mpampiasa ny kianja satria maro ireo tanora na klioba mety tsy hahatakatra izany rehefa vita ny fanamboarana ka ho ampiasaina ny kianja » hoy i Tojo, mpilalao kitra.

Ankoatra ny fanamboarana kianja ao Ambohidrazaka ity moa dia andalam-panamboarana ihany koa ny kianja ao amin’ny fokontany Mahazoarivo-Est. Mangataka anefa ny mponina mba tsy ny taranja baolina kitra ihany no jerena fa misy ihany koa ireo taranja ara-panatanjahantena hafa toa ny rugby, izay tokony jerena ihany koa.

Manitra R.

Laisser un commentaire