ActualitésTsidika

Ambohimalaza : Notolorana boky fianarana ireo mpianatra ao amin’ny EPP Mahia

Tonga tao amin’ny EPP Mahia, ao amin’ny kaominina Ambohimalaza, ireo solontena avy amin’ny fitondram-panjakana, nanolotra boky entina hanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana sy hanampiana ny fianaran’ireo mpianatra ao an-toerana. Faly ireo mpianatra, ireo ray aman-dreny ary ireo mpanabe nandray izany, raha ny voalaza.

« Ilain’ny ankizy madinika, indrindra fa ny ety anivon’ny epp ny resaka vaky boky ary tokony hamporisihana sy tohanana hatrany izy ireo mba ho liana amin’izany satria mampitombo fahalalana sy mampihitatra sy saina ny boky. Ankoatra izay, ireo mpampianatra ihany koa dia tena mila an’io ahafahany manampy lesona amin’ny alalan’ny boky » hoy i Harisoa, mpampianatra.

« Faly ireo ray aman-dreny, mpampianatra sy mpianatra ary tomponandraikitra ety amin’ny sekoly fa mahatsiaro misy mpiahy. Anisan’ny mandray anjara lehibe amin’ny fanohanana ny lafin’ny fanabeazana ety amin’ny tontolo ambanivohitra izao fanomezana izao » hoy i Rodin, ray amandrenin’ny mpianatra.

Ankoatra ny fanomezana ny boky ireo mpianatra moa, dia nisy ihany koa ny tafatafa nifanaovana tamin’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny sekoly, mahakasika ny zava-misy ao an-toerana sy hijerena ireo fiaraha-miasa azo hatao entina hanatsarana ny sekoly. Nisy ihany koa ny fizarana biscuit ho an’ireo mpianatra. 

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire