Comores : Mbola lavitr’ezaka ny fanarenana ny kianja
Raha tsiahivina dia hampiantrano ny lalao fifanitsanana Coupe d’Afrique des Nations 2024 ny 20 hatramin’ny 28 martsa izao ny nosy Comores. Anisany hilalao voalohany amin’izany manoloana an’i Côte d’ivoire ao amin’ny kianja Maluzini izy ireo.
Tsy afaka hotontosaina nefa io lalao io raha tsy tomombana ny fanarenana ny kianja. Ny governemanta no tompon’andraikitra amin’izany asa izany izy lavitr’ezaka raha ny fanazavana. 74 andro tsy hanatontosana ny lalao mantsy dia tsy mbola nisy ny asa fanavaozana tao amin’ny kianja na teo aza ny fanamarihana nentin’ny Confédération africaine de football.
Nilaza ireto farany fa tokony hanomboka hikarakara ny bozaka, ny fametrahana ny fanoloana ny tsato-by ho alimo, ny fandaminana ny sezan’ny mpilalao mpisolo sy ny « zone vip», ny fanamboarana ny hefitranom-pivoriana, ny fampitaovana sy fiarovana ny « box » sy toeran’ny mpanao gazety,… Hatreto nefa dia tsy mbola nisy voakasika izany.
