Ankadikely Ilafy : Niroso tamin’ny fanalana ireo fako sy fanadiovana ny kaominina
Nirotsaka an-tsehatra nanatanteraka asa fanadiovana sy fanesorana ireo fako tao an-toerana ny avy amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy, tamin’ny faran’ny herinandro teo. Anisan’ny asa fampandrosoana nentina nisantarana ity taona vaovao ity ny fanatontosana izany, araka ny voalaza.
« Vaovao izao ny taona ka tsara hatrany ny manohy ny ezaka amin’ny fanatsarana sy fandaminana ny tanàna ka anisan’izany ny asa fanadiovana sy ny fanalana ireo fako. Ny fahadiovana tokoa mantsy no miteraka fahasalamana ary ny fahasalamana no voalohan-karena » hoy ireo tompon’andraikitra ao amin’ny kaominina.
« Tsara ny madio, ary manalavitra ny aretina tokoa ny fahadiovana. Tokony hifanindrandalana amin’izany anefa ny fametrahana fanariam-pako isaky ny kihon-dalana indrindra fa amin’ireo toerana maro olona mivezivezy sy toeram-pivarotana mba hisorohana ny fiparitahan’ny fako » hoy i Nadine, mponina ao Ankadikely Ilafy.
Ny tanàna madio no mahate honina ary antoky ny fahasalamana. Rehefa salama tokoa ny mponina dia afaka mitondra fampandrosoana eo anivon’ny fiaraha-monina misy azy ka tsy tokony atao ambanin-javatra ny fanentanana mahakasika ny fahadiovana.
Manitra Ramanantsoa
