WWF : Miasa mavitrika ao amin’ny faritra Diana
Nanomboka tamin’ny 1963 ny WWF no niasa ho an’ny natiora teto Madagasikara, nitondra ny anjara birikiny amin’ny fiarovana ny harena voajanahary Malagasy niaraka tamin’ny vondron’olona ifotony (VOI), fanjakana, tanora, firaisamonim-pirenena, ONGs, orinasa tsy miankina sy ny Malagasy rehetra raha ny fambaran’izy ireo.
Ny faritra Diana no nisantatra ny fankalazana ny faha-60 taona nisian’ny ny WWF eto Madagasikara ary raha tsiahivina dia miasa amin’ny toerana 2 lehibe ao amin’io faritra io izy ireo. Voalohany ny helodranon’i Ambaro izay « site RAMSAR » (faritra mando manan-danja eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Faharoa kosa ny valan-javaboarin’i Nosy Hara, faritra izay toerana saro-pady ara-biolojika, ahitana haran-dranomasina sy rohivoahary tsy manam-paharoa ety amin’ny ranomasimbe Indiana.
