ActualitésSocialTsidika

Talata Volonondry: Tontosa soa aman-tsara ny hetsika didim-poitra faobe

Tontosa soa aman-tsara ny alarobia teo hetsika didim-poitra faobe maimaim-poana izay nokarakarain’ny kaominina Talata Volonondry. Ankizy lahy kely manodidina ny 100 isa no vita hasoavana nandritra izany hetsika izany, araka ny voalaza.

“Manao ezaka hatrany ny kaominina amin’ny fanampiana sy ny tolo-tanana ho an’ny vahoaka. Izany indrindra no anton’izao hetsika izao. Efa fanaon’ny kaominina isan-taona izao mba hanamaivanana ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny amin’ny fotoana tahaka izao” hoy ireo tomponandraikitra avy ao amin’ny kaominina.

“Hisaorana lehibe ny kaominina tamin’ny fikarakarana ny hetsika didim-poitra faobe ity. Efa iaraha-mahita moa fa sarotra ny fiainana amin’izao ary efa lafo ihany koa ny sarany fanaovana didim-poitra amin’ny mpitsabo ka ny hetsika tahaka izao dia tena manan-danja, afaka hanampiana kilalao sy sakafo ho an’ny zaza ny vola” hoy i Fenitra, renim-pianakaviana.

Izao moa no tontosa teo nisy ny fiaraha-miasan’ny kaominina tamin’ireo fikambanana, izay mpiara-miombon’antoka hatramin’izay, dia ny fikambanana Samaritan’s Purse, AFF (Andry Fototra ho an’ny Fampandrosoana) ary ny Taloumis. Ireto farany izay sady nanolotra fanomezana ho an’ireo zaza vita hasoavana ihany koa.

Manitra R.

Laisser un commentaire