Maurice : Tontosa ny fizahana ara-pahasalamana maimaimpoana
Mponina mahery ny 250 isa no nisitraka ny fizahana ara-pahasalamana maimaimpoana tao Camp-Levieux, Trèfles, Plaisance ary ireo tanàna samihafa ao amin’io faritr’i Beau-Bassin/Rose-Hill io. Raha tsiahivina dia ny minisiteran’ny fiahiana ara-tsosialy niara-niasa tamin’ny ministeran’ny fahasalamana no nahafahana nanao io hetsika io ary aretina isan-karazany no nozahana nandritra izany.
Nisy ihany koa ny fanomezana torohevitra sy ny fanaovana fitiliana toy ny tahan’ny siramamy, homamiadan’ny nono sy vozon-tranonjaza sns nandritra ny hetsika. Ireo tokantrano sahirana ary tsy mahavidy fikarakarana manokana kosa no tena lasibatra tamin’ity fizahana ara-pahasalamana ity.
Efa hatramin’ny taona 2019 no nisy io karazana hetsika ara-pahasalamana io tmin’ny toerana maromaro tao amin’ny nosy Maurice. Nilaza ny minisitra Fazila Jeewa-Daureeawoo izay nanatrika ny hetsika fa mbola hitohy izany.
