ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy: Mitohy ny fifaninanana basket-ball ho an’ny sokajy lahy sy vavy amin’ny “tournoi inter-communal”

Tsara ny voka-dalao nasehon’ireo mpilalao voafantina “basket Crai” ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Nandritra ireo lalao fifaninanana iraisan’ny distrika Avaradrano, eo amin’ny taranja basket-ball, izay natao tamin’ny faran’ny herinandro teo, tsara ny vokatra ary samy hanohy ny fifaninanana amin’ny dingana manaraka ireo sokaly lahy sy vavy avy ao an-toerana.

“Samy nahita fandresena avokoa ireo ekipa roa lahy sy vavy « Basket CRAI » tamin’ny lalao natao teto Anjeva, ny sokajy vehivavy dia nadresy tamin’ny isa 29 noho ny 12 ny ekipan’ny Kaominina Sabotsy-Namehana ; tsy tonga kosa ny ekipan’ny kaominina Talata-Volonondry izay tokony nifanandrina tamin’ny ekipa lehilahy” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

“Tsara hatrany ny vokatra rehefa tsara fiomanana ny mpilalao. Ankoatra ny fanomanana anefa dia anisan’ny hery lehibe ho an’ny ekipa ny fanohanana azy ireo na ara-moraly na ara-batana. Izany ihndrindra no hanentanana hatrany rehetra satria ny lalao dia mbola mitohy” hoy ny avy amin’ireo mpilalao.

Tsy teo amin’ny taranja basket izay ihany anefa no namiratra ho an’ny kaominina. Tsara ihany koa ny vokatra teo amin’ny taranja baolina kitra, izay mbola ao anatin’ny fifaninanana iraisan’ny distrika hatrany. Tafakatra amin’ny dingana manasa-dalana ihany koa ny Crai foot rehefa nandavo ny ekipan’Ambohimanga rova tamin’ny isa 04 noho 02.

Manitra R.

Laisser un commentaire