ActualitésTsidika

Fambolena : Mpisitraka masomboly sy zezika miisa 50 000 ho an’ny afovoan-tany

Ny teto afovoan-tany no nisy mpisitraka ireo masomboly sy zezika avy amin’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana betsaka indrindra izay nahatratra hatramin’ny 50 000 olona izany. Miparitaka amin’ny faritra telo izany dia Analamanga, Itasy ary Vakinankaratra. Ny tanjona tamin’ity fizarana ity dia ny hampitombo ny vokatra ary hialana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ahatongavana amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo.

« Ny tetik’asa dia ahafahana manohana ireo tantsaha amin’ny famokarana ahafahana manatratra io tanjona lehibe napetraka io. Raha totaliana dia miisa 49 700 ireo olona nisitraka ity fanomezana sy fanampiana ity ho an’ny afovoan-tany izay tamin’ny faritra miisa telo. Masom-boly vary sy zezi-bazaha isan-karazany no noazaraina nandritra izany », hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana.

« Mankasitraka ny Ministera satria ny fambolena rehetra mihitsy no antom-pisianay aty ka tsara mihitsy ny mampiroborobo azy toy izao », hoy ny solontenan’ireo mpisitraka naneho ny hafalianay.

Ity tetik’asa ity izay hampiroboroboana ny fambolena dia miara-dalana amin’ny fampahafantarana ny tantsaha ny teti-androm-pambolena izay hita eny anivon’ny Distrika. Hita ao anatin’izany ihany koa ny mahakasika ny fotoana mety hambolena ka hahafahana mampifanahitsy izany fambolena izany. Ankoatra izany rehetra izany dia miseho eny amin’ireo rindrina fampisehoana izany andinindininy tsara ho fantatra rehetra mahakasika ireo fambolena samihafa.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire