Dépêches

Baccalauréat : Efa misokatra ny fisoratana anarana ho amin’ny 2023

Dépêche 09 février, 12h, Efa nanomboka ny 06 febroary teo ny fisoratana anarana amin’ny fanadinam-panjakana Baccalauréat. Tsy hifarana izany raha tsy ny 07 aprily 2023 amin’ny 6ora hariva ary tsy hisy anefa ny fandraisana ireo izay tara amin’io daty io. Mizara telo mazava tsara ny fisoratana anarana, 15 000Ar ho an’ireo mpianatra misoratra anarana amin’ny anaran’ny sekoly, 50 000Ar kosa ho an’ireo misoratra anarana malalaka amin’ny tenany ary 100 000Ar ho an’ireo mpianatra avy any ivelany. Ny 17 ka hatramin’ny 21 jolay izao no hanatanterahana ny andiany voalohany amin’ny fanadinana ka ny 24 ka hatramain’ny 27 jolay kosa ny fanadinana ho an’ny bacc technologique, technique et profesionnelle andiany faharoa.

Laisser un commentaire