Iray no maty ary Telo no naratra tany Ampitatafika
30 Martsa, 12hOO. Nahitana lozam-pifamoivoizana indray teny Avara-tetezana Ampitatafika ny Sabotsy 27 Martsa lasa teo, taorian’ny mitatao vovonana. Telo no naratra ary iray no namoy ny ainy nandritra izany loza izany. Fiara iray nivoaka hamonjy ny arabe no nifaoka olona mpandeha tongotra efatra avy eo mbola nandona moto iray sy sarety roa izay nahitana fahasimbana avokoa. Napetraka teo am-pelatanan’ny Polisy Nasionaly ny fandehan’ny raharaha.
