Fahasalamana : Tsy mbola ahiana ny fisian’ny nendran-drajako eto Madagasikara
Nanamafy ny ministeran’ny fahasalamana fa tsy tokony mbola misy ahiana amin’ny fisian’ny nendran-drajako eto Madagasikara. Hatreto, mbola tsy nahitana soritra na trangan’io aretina io teto amintsika. Toa ny tamin’ny ady amin’ny valan’aretina covid-19 dia ny fanasana tanana matetika sy ny fanaovana aro-tava, ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana no tokony atao hiarovana amin’izany.
