DGSR : Hisy ny fitsirihana ara-teknika ireo fiara manokana
17 Aogositra, 15h 00 Hisorohana ny mety ho fahabetsahan’ny lozam-pifamoivoizana ateraky ny tsy fahatomombanana ara-teknikan’ny fiara dia hanatanteraka fitsirihana ireo fiara manokana ny avy eo anivon’ny DGSR na ny Foibe Fitsarana Fiara-kodia. Ireo fiara mikasa hitatitr’olona hanao « spécial » dia tsy maintsy hatao fitsirihana manokana na dia mbola manan-kery aza ny fitsirihana ara-teknika natao teo aloha. Hoy ny avy eo anivon’ny foibe fitsarana fiarakodia.
