Belo ambonin’i Tsiribihina : Lavon’ny balan’ny CSP ny dahalo iray
17 Aogositra, 14h 30 Lehiben’ny dahalo iray no lavon’ny balan’ny polisy tao amin’ny fokontany Tanandava, kaominina ambanivohitra Tsimafana, distrikan’ny Belo Tsiribihina. Anisan’ny rain-dahiny, mampihoroho sy mampitondra faisana ny mponina ao an-toerana ity dahalo voatifitra ity, ary nahitana ody gasy basy lava rehefa lavon’ny mpitandro filaminana teo no eo.
