Fanatanjahantena: Nandresy an’ny Cameroun ny Makis vehivavy nandritra ny CAN
Dépêche 25 mai, 11h, Andro faharoa tamin’ny fiadiana ny ho tompon-dakan’ny Afrika amin’ny taranja baolina lavalava. Nandresy an’ny Cameroun tamin’ny 30 noho ny 10 ny Ladies Makis. Nahatsara toerana ny Malagasy ity fandresena ity satria dia laharana faharoa izao isika aorian’ny Afrika Atsimo. Ry zareo Kenya no eo amin’ny laharana fahatelo ary ny Cameroun no laharana fahaefatra izay mbola tsy nahazo fandresena mihitsy tamin’ity lalao ity. Ho tohin’ny lalao dia efa manana paik’ady hafa handresena an’ny Afrika Atsimo ny Makis vehivavy satria manana izy ireo hoy ny mpanazatra kanefa azo atao tsar any mandresy azy ireo.
