ActualitésTsidika

PPI Madagasikara : Nanatanteraka ady hevitra fakan-kevitra mahakasika ny ESS

Namolavola fakan-kevitra mahakasika ny ESS na ny Economie Sociale et Solidaire ny fikambanana People Power Inclusion Madagasikara ny faha 12 mey 2023 teo tao amin’ny foibe Ambodiraotra. Mpandraharaha miisa teo ho eo amin’ny 20 teo no nandray anjara tamin’izany. Ny tanjon’izy ireo amin’izany dia ny ahafahana mahazo hevi-baovao amin’ny fanatanterahana ireo tetik’asa ho tanterahin’izy ireo manodidina io foto-kevitra lehibe io.

« Zava-dehibe izany ESS izany ka izany no antony hikarohana kalitao mahomby amin’ny asa izay kasaina ho atao. Ny antom-pisian’izao fakan-kevitra izao dia hahafahana manavao sy mikaroka ny hampandrosoana ny asa fandraharahana manodidina ny ESS eto Madagasikara », hoy ny avy ao amin’ny PPI.

« Fandraisana andraikitra mahomby ho an’ny firenena sy ny mponina ny ESS ka izany no nahatonga ahy nanatrika ity fakan-kevitra ity androany. Tiako ihany koa raha mba anisan’ireo ho voaray amin’ireo hevitra hotanterahina ny hevitro. Ady iraisana ny sosialy ka zava-dehibe ny manorina fiaraha-monina iarahana toy izao », hoy ny solontenan’ireo mpandray anjara.

Manana vina lehibe ny hampandroso an’ny Madagasikara ny PPI, izay marihina fa « People Power Inclusion » amin’izao fotoana izao no anaran’izy ireo. Manana anjara amin’izany fampandrosoana izany ny ESS ka izay indrindra no tsy maintsy hamoahana hevitra tsara kalitao. Maro ireo asa miandry ny PPI manodidina ny ESS, isan’izany ohatra ny fampiofanana isan-karazany ka tsy maintsy atao tsara fototra izany. Antom-pisian’iny fakan-kevitra iny.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire