Dépêches

Fitaterana : Hiverina amin’ny asany toy ny nandrasan’ny maro ny zotra an-dalamby FCE

Dépêche 25 mai, 12h, Efa ela no niandrasan’ny mponina manamorona iny lalamby FCE iny ny hiverenan’ny fitaterana. Velom-panantenana izy ireo satria dia hiverina amin’ny laoniny izany manomboka izao. Hisy ny fitaterana voalohany hihazo an’ny Manampatrana ny zoma izao. Hotanterahina mandritra ny fandalovan’ny Filoham-pirenena any an-toerana izany. Araka izany dia mbola tsy ho tonga hatramin’ny farany ny fitaterana fa hatreo Manampatra ihany aloha satria mbola maro ireo tsy fahatomombanana mila harenina. Ny volana jona kosa no heverina hiverina amin’ny laoniny tanteraka ny fitaterana amin’iny zotra an-dalamby FCE iny.

Laisser un commentaire