ActualitésTsidika

Jirama : Miantso fanampiana ahafahana mamerina ireo trosa

Mangataka fanampiana amin’ireo izay liana amin’izany ny orinasa JIRAMA hahafahana mamerina ireo trosa mbola tsy voaloan’ny olona sy ireo orinasa sasany. Anisan’ny antony iray mahatonga ny faharatsian’ny famatsiana herinaratra manerana ny Nosy ireny trosa ireny. Araka izany dia manaparitaka antso ho an’ireo vonona hanatanteraka ny servisy mahakasika ny famerenana ireo trosa amin’ireo olontsotra sy ireo orinasa (appel à candidature à la prestation de recouvrement des créances résidées auprès des clients Grands comptes et Particuliers) ny Jirama amin’izao fotoana izao.

« Tafiditra ao anatin’ny fanamafisana ny famerenana ny trosa tsy voaloa sy ny politikan’ny fanarenana ny orinasa ity fangatahana fanomezana vahaolana ity. Efa misy ireo paik’ady hafa ho vahaolana amin’ity trosa be dia be », hoy ny Tompon’andraikitra avy ao amin’ny orinasa.

« Ny fototry ny olana no tokony hofantarina hoe avy aiza fa tsy maika hampiasa vola indray hampiasa olona hafa, rehefa izany dia miroso amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra am-pisainana tsy amin’ny sentiment. Tsy ny Malagasy rehetra ary mety ho tsy ny malagasy akory ilay olana fa ny madinika hatrany no mizaka ny vokatr’io olana io », hoy i Rina, mpandraharaha madinika, mijaly amin’ny fahatapahan-jiro matetika.

Marihina anefa fa efa nandray fanapahan-kevitra ny orinasa JIRAM ho an’ireo izay tsy mahaloa ny trosa. Hiditra amin’ny fanapahana ny jiro sy rano ho an’ireo orinasa sy olon-tsotra tsy mahaloa ny trosany izy ireo atys ho atsy.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire