ActualitésTatitra

France : Notanana vonjimaika am-ponja ny lehilahy iray nanolana ramatoa

Niakatra fitsarana ny 4 Aogositra 2022 ilay raharaha fanolanana ramatoa 37 taona tao amin’ny Hotely B&B Lille Roubaix Campus Gare (Avaratra). Notanana am-ponja vonjimaika noho ity heloka bevava vitany ity izy ary mbola mitohy ny fanadihadihana ataon’ny fitsarana. Raha tsiahivina ny zava-niseho ny alin’ny 21 hifoha 22 Jolay lasa teo. Lehilahy iray no niditra an-keriny tao amin’ny efitranon’ilay ramatoa tao amin’ny Hotely, nanapatra ny filan-dratsiny sy nanindrona antsy azy. Naratra mafy ilay ramatoa ary nentina namonjy hopitaly haingana. Nahazo alalana hiditra tamin’ireo efitra rehetra ity rangahy ity kanefa tsy mpiasa ao akory. Voasambotra avy hatrany ity rangahy ity taorian’izay. Hamonjy fiofanana anefa no nahatongavan’ity ramatoa ity ta Roubaix ary izao tratran’ny loza izao.

Laisser un commentaire