Espagne : Omena fialan-tsasatra ireo vehivavy tonga fadimbolana
Hanolotra ny lalàna vaovao momba ny fanalan-jaza ny Minisiteran’ny fitovian’i Espagne rahampitso 17 mey mandritra ny filankevitry ny minisitra. Hisy fizarana manokana momba ny zo ho amin’ny fahasalaman’ny fadimbolana ao anatin’izany.Raha ny fantatra dia voarakitra ao anatin’io volavolan-dalàna io fa omena fialan-tsasatra telo andro farafahabetsany ireo vehivavy tena maharary sy « invalidante ». Afaka hitarina 2 andro kosa izany fialan-tsasatra raha mitondra alalana avy amin’ny mpitsabo ilay vehivavy. Manan-kery mandritra ny herintaona io fialan-tsasatra telo andro io ary azo havaozina isan-taona.
