ActualitésTatitra

Indonésie : Lehilahy iray no nikasa hanipy ny vadiny avy teny ambony sambo

Teny ambony sambo iray nampitohy an’i Merak sy Bakauheni ao Indonésie no niseho ity tranga ity. Lehilahy iray no nikasa nanipy ny vadiny avy teny ambin’ny sambo, ary azon’ny « caméra de surveillance » sary izany. Nahay namikotra teo amin’ny sisin’ilay sambo kosa ilay vehivavy ka voasoroka ny loza.

Nihazakazaka haingana nanavotra ilay vehivavy kosa ireo mpandeha sasany nahita ny tranga. Raha ny fanadihadiana nataon’ny manam-pahefana dia manana olana ara-tsaina io lehilahy io, antony tsy nihitaran’ny raharaha. Raha tsiahivina, efa nisy tranga tahak’io hita ny volana febroary io ihany koa tao an-toerana ny taona 2018. Lehilahy iray no nikasa nanipy ny olon-tiany avy teny ambony sambo saingy avotra soa aman-tsara ihany koa ilay tovovavy.

Laisser un commentaire