ActualitésTatitra

Maurice : Tafapetraka ny sampana misahana ny fanadihadiana momba ny fanondranana olona an-tsokosoko

Misy ny sampana vaovao napetraka ao amin’ny CCID (Central Crime Investigation Department) ao amin’ny nosy Maurice. Antsoina hoe Special Enquiry Team io sampana io izay napetraka eo ambany fahefan’ny ASP (assistant surintendant de police) ary hisahana manokana ny fanadihadiana momba ny fanondranana olona an-tsokosoko.

Tafiditra ao anatin’ny asan’i Maurice miady amin’ny fanondranana olona izany raha ny fanazavana. Misy kosa ny fiaraha-miasan’ny sampana amin’ireo andrim-panjakana hafa voakasik’izany toy ny biraon’ny pasipaoro sy ny fifindra-monina, brigadin’ny fiarovana ny fianakaviana na ny birao iraisam-pirenena misahana ny fifindra-monina sns.

Vao misy ny tranga mampiahiahy ao an-toerana dia antsoina amin’ny alalan’ny « hotline 148 » avy hatrany ny Special Enquiry Team ary manokatra ny fanadihadiana. Ho an’ny fanodikodinana ny zaza tsy ampy taona kosa dia ny brigadin’ny fiarovana ny fianakaviana no misahana izany.

Laisser un commentaire