Ankadikely Ilafy : Tontosa soa aman-tsara ny hetsika « fête foraine special vacances 2023” nanerana ireo fokontany 18
Nifarana tamin’ny alahady teo ny hetsika “fête foraine special vacances 2023” nokarakarain’ny kaominina Ankadikely Ilafy sy ireo sefo fokontany (SEFAM) 18 ao an-toerana. Tao amin’ny fokontany Andranovelona sy Antanandrano no namaranana izany, araka ny voalaza.
“Tsapa nandritra ny hetsika ny firaisan-kina sy ny fiaraha-mientana teo amin’ireo SEFAM sy ny ekipa avy eto amin’ny kaominina tamin’ny fanatontosana izany hetsika izany. Izao moa no natao dia ho fialam-boly ho an’ny rehetra tsy ankanavaka, indrindra ireo ankizy izay ao anatin’ny fialan-tsasatra lehibe” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
“Ankoatra izany, natao indrindra ihany koa nampafantarana ireo asa tanana sy talenta ary ny vokatra isam-pokontany. Nisy koa fifanakalozan-kevitra ho fanatsarana ny seham-pihariana. Isaorana noho izany ny rehetra nifanome tanana tamin’ny hetsika ary isaorana manokana ny mpitantana ny kaominina nanome sehatra malalaka ny fanatontosana izany” hoy hatrany ny fanazavana.
Afa-po ireo mponina teny amin’ireo fokontany nandritra ny fanatanterahana ireo hetsika teny an-toerana, indrindra ireo ankizy. Natao tokoa moa ny hetsika mba hampialana voly mandritra ny fotoam-pialan-tsasatra. Amin’izao fotoana, samy efa manomana sy mifantoka amin’ny fiverenana an-tsekoly ny rehetra.
Manitra R.
