ActualitésTsidika

Lalan’ny atody : Hanimba ny lalana ny fampiasana sarety kodiarana vy

Raràn’ny kaominina Antanetibe Mahazaza ny fampiasana sarety kodiaramby amin’ny lalan’ny atody. Izany dia ho fikojana ny lalana, izay nandaniana aman-tapitrisany maro. Etsy an-kilany, tsy manaiky izany, ary mitokona mihitsy, ireo tantsaha manana sarety kodiaramby.

« Miroso hatrany ny dia. Efa izay aloha ny fandaminana napetraka ho soa an’ny tanànantsika. Ny tombontsoan’ny maro an’isa sy ny fandrosoan’ny tanàna no jerentsika. Nomen’olona lalàna tsara tarehy ny kaominina ka rariny raha saro-piaro sy mikojakoja izany fananana iombonana izany isika » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Antanetibe Mahazaza. « Raràna ny fampiasana ny lalam-pirenena, ny lalam-paritra, ny lalana anivon’ny kaominina sy ny lalana eny ambanivohitra amin’ny asa hafa ankoatra ny fitaterana sy fifamezivezen’ny olona sy ny entana. Izany dia ho fisorohana ny fahasimban’ny lalana aloha loatra sy hampihenana ny mety hisian’ny lozam-pifamoivoizana » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Asa Vaventy sy ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr’andro.

Marihina fa mbola tsy notokanana ny lalan’ny toady any Antanetibe Mahazaza izay mitondra ny anarana RNS4A. Efa nomena vahaolana ihany koa ireo manana sarety kodiarana vy mba hanolo izany ho fingotra.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire