Etats-Unis : Inona no antony namelahan’i Will Smith an’i Chris Rock ?
Niparitaka vetivety ny horonantsarain’i Will Smith namelaka an’i Chris Rock ny alahady teo anndritra ny « cérémonie des Oscars ». Maro ireo taitra sy tohina tamin’ny fihetsika nataon’ity mpilalao horonantsary malaza ity.Raha ny fanazavana kosa dia tsy nahafaly azy ny fanoharana nataon’i Chris Rock ny lohan’ny vadiny Jada Pinkett Smith tamin’ny an’i Demi Moore tao amin’ilay sarimihetsika « A Armes égales » novolavolain’i Ridley Scott.Niakatra teny amin’ny lapihazo izy sady nanopa an’i Chris Rock no niteny azy mba tsy hampiditra ny anaram-badiny ao amin’ny lahateniny. Rehefa nahazo ny « Oscar du meilleur acteur » noho ilay sarimihetsika « La Méthode Williams » nefa i Will Smith dia niverina teny amin’ny lapihazo ary naneho fialan-tsiny sady nitomany. « Mampanaonao foana ny fitiavana » hoy izy.
