Ankazomanga : Nanampy ireo tra-boina ny Tafika Malagasy
Nanampy sy nanome tanana ireo tra-boina tao Ankazomanga ny avy ao amin’ny Tafika Malagasy. Niara-nisalahy nametraka ireo trano lay ny avy ao amin’ny fari-piarovana sy fandriampahalemana Ikopa.
« Miakatra ny rano amin’ny faritra iva indrindra amin’izao fisian’ny rotsak’orana izao. Mila mifanampy sy miara-misalahy isika rehetra manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena » hoy i Rado, mpahay fiaraha-monina. « Manampy ny vahoaka mandrakariva ny Tafika Malagasy. Manampy hatrany ny mpiray tanindrazana izahay » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena.
« Tena mahavita ny asan’ny mpamonjy voina mihitsy ny tafika Malagasy. Mankasitraka tamin’ny vita sy amin’ny mbola ho atao » hoy i Lanto, mponina ao Ankazomanga, isan’ireo tra-boina.
Manampy mandrakariva ny vahoaka Malagasy tokoa ny tafika. Hiaro ny vahoaka sy ny fananany ary hiantoka ny fandriam-pahalemana amin’ny lafiny rehetra tokoa ny asany.
Nicole Rafalimananjara
