Soavina Atsimondrano : Nahazo tohana ireo tantsaha
Nahazo tohana zezika sy masomboly ireo tantsaha mpamboly vary ao amin’ny kaominina Soavina Atsimondrano. Zeizaka NPK 3515kg sy masomboly vary X265 milanja 400kg no azon’ireto tantsaha miisa 160 ireto.
« Mila fampiroboroboana hatrany ny voka-bary amin’ity taom-pambolena ity. Tantsaha miisa 160 mivondrona ao anaty fikambanana iray no nahazo ny fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana » hoy ny mpitarika ny fikambanan’ny Tantsaha. « Santatra ambavarano ity hetsika ity. Mbola hitohy amin’ny distrika sy ny faritra rehetra manerana an’i Madagasikara izay ahitana ireo fikambanan’ny tantsaha izany » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fambolena sy Fiompiana.
« Tena ilaina be tokoa ny miditra amin’ny fikambanana iray. Tena manampy betsaka anay tantsaha tokoa ny fampivondronana anay » hoy i Fidy, tantsaha ao Soavina.
Mila fampiroboroboana tokoa ny famokaram-bary eto Madagasikara. Manampy betsaka ireo tantsaha ihany koa ny fisian’ny fikambanana ahafahana mampandroso ny fambolena.
Nicole Rafalimananjara
