ActualitésTatitra

Bénin : Babylas Boton, mpanao gazety sangany aty Afrika

Mpanao gazety sangany ao Bénin sy manerana an’i Afrika i Babylas Boton. Talen’ny Africa 24 ihany koa izy. Efa hatramin’ny taona 2008 nisokafan’ny Africa 24 i Babylas Boton no niasa tao amin’io haino aman-jery io. Niakatra toerana tsikelikely tao amin’izany izy talohan’ny naha tale azy.

Nianatra fiteny sy asa fanaovan-gazety tao amin’ny oniversiten’i Bénin Babylas Boton. Tao amin’ny gazety « Le Matinal » tao amin’ny firenena kosa no nidirany teo amin’ny sehatry ny asa voalohany. Nanaraka fampianarana tao amin’ny EICAR (École internationale de création audiovisuelle et de réalisation) kosa izy nanomboka ny taona 2002 nahatongavany tao France. Nivoaka mpanao gazety sy mpanatontosa tao amin’io toeram-pianarana io izy talohan’ny niasany tamin’ny Télésud sy nanatevenan-daharany ny Africa 24.

Efa voafidy mpanao gazety sangany indrindra taty Afrika i Babylas Boton tamin’ny taona 2017.

Laisser un commentaire