ActualitésTsidika

Ambohitrarahaba : Misy mpangala-jaza mihaodihaody eny an-toerana

Nandefa filazana ny sekoly iray teny amin’ny manodidin’Ambohitrarahaba ny tokony hahamailo ny ray aman-drenin’ny mpianatra fa misy mpangala-jaza mihaodihaody mitondra fiara 4×4 any amin’ny manodidina. Nambarany tamin’izany àry fa efa nisy mpianatra saika lasany tao amin’ilay sekoly ka tokony handray fepetra manandrify azy ny rehetra hisorohana ny loza mety hiseho. “Tena mila mailo daholo ny manodidina fa tsy ny ray aman-dreny irery satria mamy ny zanaka ary noho izy ireny no hilofosana ho andry ianteherana rahatrizay ka aza avela hosoparan’ny tsy mataho-tody ho viraviraina” hoy i Ravo, mponina ao Ambohitrarahaba. “Aoka tsy avela handeha irery ny zaza fa arahi-maso hatrany satria vao tsy ela akory izao no nisy zazavery teny Ankadikely Ilafy” hoy i Rafidimanana, Raim-pianakaviana monina eny amin’ny manodidina. “Mahantra ny firenena sy ny vahoaka ka ao ireo tsy te hahalala intsony fa mivarotra ny mpiray tanindrazana aminy mihitsy ahazoany vola izay tsy tokony ho ekena mihitsy” hoy i Tanjona, mpiaro ny zon’ny zaza. Efa betsaka tokoa izay ny trangana hala-jaza teto amintsika izay hangatahana ny fanadraisana andraikitra goavana avy amin’ny fanjakana sy ny sekoly ary indrindra ny ray aman-dreny satria tsy mamy mihoatran’ny zanaka tokoa hoy ny fitenenana. Tsy mandry fahalemana mihitsy ny vahoaka ankehitriny, inona no vahaolana ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire