Ankadikely Ilafy: Nizotra ampilaminana ny fitsarana miaramila
Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fitsarana miaramila ho an’ireo zatovo lahy sy vavy, 19 taona ka hatramin’ny 31 taona, tao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Nizotra am-pilaminana ny fanatanterahana izany, araka ny voalaza.
« Ny alakamisy sy zoma teo no nanatanterahana ny fitsarana miaramila teto an-toerana. Tonga maro ireo tanora ary hita tokoa ny fahavitrihan’izy ireo nandritra izany » hoy ireo tomponandraikitra tao an-toerana.
« Tena ilaina ny fitsarana miaramila. Amin’ny maha tanora, zava-dehibe ny fanatanterahana izany satria ilaina foana iny karatra iny rehefa hikarakara taratasy ara-panjakana ary mitovy lanja amin’ny karapanondrom-pirenena izy io » hoy i Fifaliana, tanora nanatanteraka ny fitsarana miaramila.
Tsiahivina fa ny fananana ny karatra momba ny fanompoam-pirenena (carte verte) ity karatara ity dia ilaina rehefa hikarakara taratasy amin’ny fidirana mpiasam-panjakana. Ilaina ihany koa izy io ho an’ny fikarakara antontan-taratasy fivoahana any ivelany.
Manitra R.
