ActualitésTsidika

Fampianarana ambaratonga ambony : Efa misokatra ny « salon de l’étudiant et de l’emploi 2021 »

Nisokatra omaly ny salon de l’étudiant et de l’emploi 2021, izay karakarain’ny orinasa Telma madagascar sy ny Maison de la Communication des Universités (MCU). Hetsika izay atao ao amin’ny tokontany malalaky ny Office de la Radio et de la Télévision Malagasy (ORTM) Anosy mandritra ny telo andro nanomboka ny 20 ka hatramin’ny 22 septambra 2021. Tranoheva miisa 60 no hita ao, ahitana sampam-pampianarana maro isan-karazany sy orinasa ihany koa. Ny torolalana ho an’ny tanora vao afaka fanadinana bakalorea farany teo no tena kendrena amin’ny fanatanterahana izao hetsika izao. Miisa 150 000 mahery ny olona antenaina ho tonga ao mandritra ireo telo andro ireo.

Raha tsiahivina anefa ny zava-misy eny amin’ny oniversiten’Antananarivo dia mbola misy ny mpianatra tsy nahavita ny taom-pianarana sy ny mpianatra mbola tsy nanomboka akory ity taom-pianarana izay efa nifarana raha ny tokony ho izy satria manomboka ny 04 oktobra izao ny fidirana ho an’ny taom-pianarana 2020 – 2021. Ireo mpianatra vao afaka bakalorea farany teo kosa dia mbola miandry aorian’izay vao afaka manombo ny fianarany eny amin’ny oniversiten’Antananarivo.

Mikendry ny hanatsara hatrany ny hoavin’ny mpianatra Malagasy ity hetsika ity. Manamafy izany ny MCU izay mpikarakara ny hetsika, nilaza fa izy ireo fa « ny mba tsy handiso safidy ny mpianatra amin’ny lalam-piofanana arahiny eny amin’ny ambaratonga ambony no tanjona amin’ity hetsika ity « . Nambaran’izy ireo ihany koa fa ambonin’ny 50 isan-jato ankehitriny ny tahan’ny fialana amin’ny fianarana raha vao eo amin’ny taona voalohany fotsiny. « Nanampy be anay ny fanazavana azonay tamin’ireo tranoheva nantoninay » hoy i Saya, mpianatra vao afaka bakalorea tamin’ity taona ity ka tonga nitsidika ireo tranoheva tao. « Ny fametrahana ny sampana mpanoro lalana ny mpianatra manomboka eny amin’ny lisea no tena azo antoka fa tsy hahadiso lalana ny tanora » hoy i Julien, mpianatra afaka bakalorea nanontaniana teny an-toerana.

Mety hiteraka fisalasalan-tsaina ho an’ny tanora ihany koa anefa ny fisian’ity hetsika ity noho ny mety ahitany zavatra maromaro mahaliana azy ka hahasarotra ny safidiny. Efa misy eny an-toerana anefa ny olona mitondra fanazavana sy torohevitra mahakasika ny fiofanana maro samihafa izay hita ao ka tsy ho sarotra amin’ny tanora ny hisafidy ny fiofanana tiany arahina.

Na dia misy aza anefa izany dia amporisihana hatrany ny tanora mba haminavina mialoha ny asa tiany hatao sy hamantatra sahady ny momba izany na dia mbola tsy manana ny mari-pahaizana bakalorea akory aza.

Aurélien Razafimiandry

Laisser un commentaire