Ambalavao : Olona 76 narary noho ny fihinanana henan’omby marary
Olona miiisa 76 no tratry ny tsy fahasalamàna avy ao amin’ny kaominina Besoa, Distrik’Ambalavao, vokatry ny fihinana henan’omby marary.
Raha tsiahivina dia vao tsy ela no hita ho nisy aretin’omby vaovao tao Arivonimamo, tsy mbola fantatra mazava hatreto izay tena fotor’io aretin’omby io, ka izao misy aretina hafa indray koa ao Ambalavao.
« Rehefa nihinana ireto omby narary ireto olona 76 ireto dia hita ho nanomboka nitrangàna aretina ihany koa, noentina nanatona toera-pitsaboana ka hita fa vokatry ny fihinanana omby nisy aretina no anton’izao » hoy i Solofo, mponina ao an-toerana.
Araka ny fantatra hoy ny manam-pahefana ao an-toerana dia « omby marary miisa 6 no nohanin’ireto olona narary ireto, efa voaray an-tanana kosa ary arahi-maso akaiky ny momba ny fahasalaman’izy ireo amin’izao, ary marihina ihany koa fa tsy nisy ny aina nafoy ».
« Vantany vao naheno ny tranga izay niseho tao Ambalavao izahay dia dia nidina tany an-toerana ka nanentana ny vahoaka mba tsy hihinana biby marary toy izany » hoy i Voary avy ao amin’ny sampandraharahan’ny fiompiana ao Ambalavao.
Ilàna fanaraha-maso ihany koa ny fahasalaman’ny biby eto Madagasikara araka izany satria hita ho natetitetika ny trangan’aretina toy izao eo amin’ny biby. Miantso ny avy ao amin’ny minisiteran’ny fiompiana mba hidina an-tsehatra ka hijery an-tanana izao zava-misy izao, entanina ihany koa ireo olona mba tsy hikasika na hihinana biby misy aretina tahaka izao.
Lovasoa Tojonirina
