ActualitésTsidika

Efa hisokatra ny fanjonoana horita

Isan’ny tena fiveloman’ny olona maro tokoa ny fihazana an-dranomasina saingy misy lalàna kosa anefa ny sehatry ny jono noho izy mety handripaka ny karazana misy raha tsy voafehy. Hisokatra izao ny fanjonoana horita amin’ny faritra arovana any Atsimo Andrefana. « Ny 22 – 23 septambra izao ny ao amin’ny faritra arovana Velondriake-Tearike, ny 8 – 9 oktobra ny ao amin’ny faritra Soariake, ny 04 – 05 oktobra ny ao amin’ny faritra Atsimo no hisokafan’izany jono horita izany » hoy ny avy ao amin’ny WWF faritra Atsimo.

« Harena ny horita izay biby maro tanana any anaty ranomasina malaza amin’ny fitsetserana ra ireo biby hafa any an-dranomasina, betsaka ny olombelona mankafy ny mihinana azy io ka tena be mpividy tokoa » hoy i Gaetan, mpanjono horita any amin’ny faritra Atsimo Andrefana. « Mila apetraka ny lamina mikasika ny fanjonoana ny horita ka izoa tsy maintsy nampiantsoana sy nampivondronana ireo komity mpisehatra amin’ny fitantanana ny jono horita ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana izao » hoy ny lehiben’ny komity.

Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny toe-karena rahateo izany ka tsara mihitsy raha misy ny fenitra. Ilaina ihany koa ny fametrahana lanja ireo faritra arovana izay be harena an-dranomasina sy an-tanety satria tena misy fiatraikany betsak aeo amin’ny tontolo iainana izany. Hanao ahoana ny vokatra amin’ny horita amin’ity taona ity ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire