Zazakely nisy nandevina antsokosoko teny Anosipatrana
Zazakely vao teraka no hita faty nisy nandevina an-tsokosoko teny amin’iny digue Anosipatrana iny.
Tsy vao izao akory no nitrangàna tranga toy izao tamin’ny toerana toy itony fa efa nisy ihany koa ny tranga toy izao, misy aza eny amin’ireny ranon’ikopa ireny no anarian’ny olona fatin-jazakely.
« Tsy hay na zaza niniana nariana na maty tsy nahy ity nisy nandevina an-tsokosoko ity fa taitra ihany izahay tety manodidina raha nahita ny zava-nitranga » hoy i Faly, mponina eny an-toerana.
« Rehefa naheno ny tsahotsaho izahay dia nanapa-kevitra ny handeha an-tsehatra ifotony, ary hita fa nisy zazamenava nalevina an-tsokosoko tokoa tety amin’ny digue Anosipatrana, efa nofongorina ny razana ka nalain’ny BMH rehefa vita ny fanadihadiana natao » hoy ny avy ao amin’ny polisim-pirenena.
Nilaza ny mpahay lalàna iray fa « na zazakely na lehibe rehefa olombelona dia tokony alevina any amin’izay tokony hisy azy foana, misy ny lalàna mifehy izany ary henjehin’ny lalàna ny fandevenana antsokosoko tahaka izao ».
Ilàna fanadihadiana lalina ny toy izao mba hahitàna izay tompon’andraikitra amin’ity raharaha ity. Ny toy izao indrindra no tokony ilaina ny fampiasana ny teknolojia toy ireny fakan-tsary miafina ireny na “video de surveillance » amin’ny toerana mety misy izany eny akaikikaiky eny, hijerena ny mety ho nandevina io zaza io.
Lovasoa Tojonirina
