ActualitésTsidika

Sabotsy Namehana : Ny taranja Kajy no nananosarotra tamin’ireo ankizy  

Tontosa ny 21 jona ny fanadinana CEPE nanerana ny nosy. 4 taona ny zandriny indrindra, ary 24 taona ny zokiny indrindra. Niisa 1270 ireo mpiadina ny fanadinana tao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana.

« Mpiadina miisa 1270 no niatrika fanadinana CEPE teto amin’ny kaominina Sabotsy Namehana, izay misy toeram-panadinana miisa 02. Tao amin’ny Centre Masca sy ny Centre CEG Sabotsy Namehana izany. 18 tamin’ireo mpiadina ireo ihany no tsy tonga, raha tonga avokoa ny ambiny » hoy ny tompon’andraikitra tao amin’ny tale iray misahana ny ivon-toeram-panadinana. « Ny taranja kajy no tena sarotra indrindra tao. Misy foana ny fanantenana na izany aza » hoy i Haja, mpiadina CEPE.

Nizotra tam-pilaminana, ary tontosa an-tsakany sy an-davany ny fanadinana teto amin’ity Kaominina ity. Andrasana ny valim-panadinana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire