ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Nandray andraikitra ny polisy kaominaly nandritra ny CEPE

Mpiadina miisa 1 903 no niatrika ny fanadinam-panjakana CEPE tao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. 1 924 kosa anefa no nisoratra anarana manerana ireo ZAP telo mandrafitra ny kaominina.

« Nilamina ny fizotry ny fanadinana tamin’ny ankapobeny, ankoatra ireo tsy fahatongavan’ny mpiadina vitsivitsy noho ny antony samihafa. Nirotsaka an-tsehatra nametraka ny filaminana ivelan’ny faritra nanaovana ny fanadinana ny polisy kaominaly » hoy ny ben’ny tanàna ao Ankadikely Ilafy, Rajaonah Rija. « Nanampy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny tamin’ny fandrindrana ny lamina. Eo ihany koa ny mba hisian’ny fifantohana sy ny filaminan-tsain’ireo mpiadina nandritra ny fanadinana » hoy ny avy ao amin’ny polisy kaominaly, Ankadikely Ilafy.

Nankasitraka ny fandraisana andraikitra rehetra niainga tany amain’ny tokantrano tsirairay ny ben’ny tanàna. Efa miomana sahady amin’ny fandaminana amin’ny fanadinana BEPC indray ireo tompon’andraikitra.

Laisser un commentaire