ActualitésTsidika

Alasora : Manentana ny mponina hiady amin’ny valan’aretina covid-19 ny kaominina

Adinodinon’ny mponina ny fisian’ny valan’aretina covid-19 amin’izao fotoana izao. Raha ny fahitana ny tatitra navoakan’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka, misy hatrany ireo olona voa sy matin’izay aretina izany, indrindra fa eto amin’ny faritan’Antananarivo. Ho an’ny kaominina Alasora manokana, olona telo no voamarina fa mitondra izany valan’aretina izany, araka ny voalaza.

« Mirongatra indray tato ho ato ny aretina covid-19, hatramin’ny alakamisy lasa teo, olona 3 no voamarina fa voa tao amin’ny CSBII Alasora. Manentana ny mponina hatrany mba samy ho mailo, hiady amin’io aretina corona virus io, indrindra ny amin’ny fanaovam-baksiny ho fiarovana ny tena sy ny manodidina » hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana.

« Mirongatra ny aretina amin’izao fotoana izao kanefa efa tsy dia re matetika intsony ny fanentanana amin’ny fanajana fepetra mahakasika izany. Samy tomponandraikitra avokoa ny tsirairay amin’ny fandraisana fepetra fiarova-tena, enti-miady amin’ny corona virus ary ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny no fitaratra ao anatin’izany » hoy i Volana, mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo.

Malalaka ny safidin’ny rehetra amin’ny fanajana ny fepetra sakana hiadiana amin’ny corona virus, volana maro izay. Tsara hatrany anefa ny mampihatra ireo fihetsika sakana toa ny fanasana tanana, ny fanaovana aro-tava, indrindra fa amin’ny toerana be olona ho fiarovana ny fahasalamana. Tsy tokony ho dinoina ny fanaovam-baksiny ho an’ireo afaka n ate hisitraka izany.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire