Avaradrano : Fotoana tsara hampandrosoana ny tanàna ny Global Entrepreneurship Week
Tsy vitsy ny tanora liana amin’ny resaka fandraharahana eto amintsika saingy tsy mbola ampy ny sehatra manampy sy manosika azy ireo ao amin’izany sehatra izany. Maro ihany koa anefa ireo mpisehatra ao amin’izany tontolo iznay no te hanosika ny tanora mitovy azy hisehatra ao. Isany amin’izany ny mpikarakara ny GEW Avaradrano 2021, izay manomana hetsika ho an’ny fandraharahana ny 8 hatramin’ny 14 novambra ho avy izao any Ambohimangakely, manodidina izay resaka izay. »Sehatra tena mampandroso ny tanora ny fandraharahana kanefa azo lazaina ho maro ny olana tsy hahatontosan’izany satria vitsy ireo manan-traikefa te hizara amin’ny hafa » hoy i Koloina, tanora mpandraharaha. « Maro ny fanampiana sy ny torolalana ho hitantsika mandritra io hetsika Global Entrepreneurship Week eny Ambohimanagakely io, satria tsapa fa tsy mbola ampy ny sehatra ho an’ny fandraharahana eto amintsika ka mandeha an-jambany ny ankamaroan’ny tanora” hoy i Ando, mpikarakara ny hetsika no sady mpikambana ao amin’ny BTC Ambohimangakely. « Zava-dehibe indrindra ho an’ny tanora eto Ambohimanagkely ny hetsika toy izao izay tsy mikendry hafa tsy ny famapndrosoana ny tanora sy ny tanàna ary manohana izany hatramin’ny farany izahay » hoy ny ben’ny tanànan’Ambohimanagakely, Radafindranaro Thierry.Fotoana tena tsara ahatongavan’ny rehetra io. Maro ny fanampiana omena ny mpanatrika mikasika ny tontolon’ny fandraharahana mandritra ireo andro ireo. Mpanadraharaha maro manan-traikefa no ho tonga hanohana ny antso amin’io satria zava-dehibe ny fifampizarana traikefa satria ny hampandrosoana ny tanàna no tanjona iombonana. Ny GEW io ihany koa dia fotoana iray handravana ny toe-tsaina tsy mahay mizara ny traikefa, toe-tsaina tia mamihina samirery izay ananana. Fotoana io hanasana ny mpandraharaha sy ireo te handraharaha rehetra satria tokana ny tanjona dia handroso i Madagasikara.Mila mijoro ihany koa ireo tanora hampivoatra ny firenena fa tsy hiandry vola amin’ny mpampiasa foana fa mila miasa tena indrindra ireo tanora eto Avaradrano izay toerana tokony handroso sy ho lasa lavitra.
Nicole Rafalimananjara
