Nicolas Dupuis : Miandry ny didy havoakan’ny filan-kevim-panjakana indray
Tapa-kevitra tsy tapa-kevitra ny didy mikasika ny hampiantoana an’i Nicolas Dupuis tsy ho mpanazatra ny Barea intsony. Fanapahan-kevitry ny filohan’ny FMF ny analàna azy saingy etsy ankilan’izay anefa dia tsy neken’ny mpikambana 7 tamin’ny 10 tao amin’ny komity mpanatanteraka ao amin’ny Federasiona Malagasy ny baolina kitra izany. Nosoloina an’i Eric Rabesandratana ary efa niandrasana indray izay programan’asany. Ankehitriny indray anefa, miovaova ny toe-draharaha satria nametraka fitoriana teny anivon’ny tribunal administratif ireo mpikambana 7 izay tsy nanaiky ny hanesorana an’i Dupuis ireo. Ary fitoriana ny mba hanafoanana ny fanapahan-kevitra 001 / Ny FMF / 2021″ navoakan’i Raoul Rabekoto, Filoha an’ny FMF, izay nampiato an’i Nicolas Dupuis tsy ho mpanazatra ny Barea. Mivadibadika ny toe-draharaha, ilaina ary ve ny mbola hijanonan’i Nicolas Dupuis amin’ny fanazarana ny ekipam-pirenena sa tsia ? Vahaolana ho an’ny Barea tokoa ve ny fanovana mpanazatra ?
Nicole RAFALIMANANJARA
