Burkina Faso : Nanafika indray ireo djihadiste
Notafihan’ny djihadiste indray ny faritra avaratr’i Burkina Fao ny sabotsy teo. Raha ny antontan’isa vonjimaika navoakan’ny tompon’andraikitra dia olona manodidina ny 40 teo no namoy ny ainy vokatr’izany, izay miaramila 6 ary tafika sivily mpanampy ny 34. Toby miaramila sy VDP (Volontaires pour la défense de la patrie) tao Aorema, 15 kilometatra miala an’i Ouahigouya indrindra mantsy no nokendren’izy ireo.
Raha ny tatitry ny governorà kosa dia nisy olona 33 ihany koa naratra vokatr’io fanafihana io. Naisaina an-tanana ao amin’ny « Centre hospitalier universitaire régional de Ouahigouya » izy ireo amin’izao fotoana. Mpampihorohoro am-polony kosa no nanao io fanafihana tao avaratry ny firenena io.
