Anosy Avaratra : Mitohy hatrany ny asa fanadiovana ny tanàna
Mitohy hatrany ny asa fanadiovana ny tanàna ao amin’ny kaominina Anosy Avaratra. Marihina fa efa nisy ireo fanadiovana teo aloha. Ny fanalana ny fako ao amin’ny kaominina no kasaina ho atao mandritra ity herinandro ity. Ny alarobia teo izany fanalana ny fako izany no natomboka, ary mitohy hatrany.
Tsy ny ao amin’ny kaominina Anosy Avaratra renivohitra irery ihany anefa no kasaina ho diovina amin’izany fa hatrany amin’ny fokontany maro hafa, toy ny fokontany Ambohitrinimanga, ary mitohy any amin’ny fokontany maro hafa ihany koa. Hisy ihany koa ny fanadiovana any amin’ireo kaominina maro hafa. Atao izany hetsika izany mba hentina hanatsara hatrany ny tanàna ary indrindra ihany koa hikajiana ny tontolo iainana.
Famenontsoa Rajerison
