Tatitra

Italie : Inona moa ny « sauce bolognaise » ?

Iza tamin-tsika no mbola tsy nihinana « spaghettis à la sauce bolognaise » ? Karazana saosy nentin-drazana ao Italie ny « sauce bolognaise ». Tao Bologne ao Émilie-Romagne no teny ivon’izy io. Totoken’omby, saosy voatabia, tongolo, seleria, karaoty ary menaka oliva no akora fototra amin’ny fikarakarana azy. Ao Bologne kosa ho anina miaraka amin’ny paty : « tagliatelle », « cannellonis » izy. Ataon’izy ireo amin’ny « lasagne », « pâtes au four » sy « polenta » ihany koa izany. Ho an’ny firenena hafa dia ny paty « spaghettis » no tena hoanina miaraka aminy.

Tsotra ny fikarakarana ny « sauce bolognaise ». Voasana ary tetehana ny tongolo sy ny karoty ary ny seleria ary atambatra ao anaty lovia baolina. Endasina ny « pancetta », ary endasina miaraka aminy ireo efa natokana tao anaty lovia baolina. Arotsaka ny totokena rehefa masamasaka ny legioma ary afangaroaro matetika. Araka asiana ronono izany alohan’ny androtsahana ny saosy voatabia sy ny voabatia amin’ny boaty, ny « feuilles de laurier » ary ny sira sy ny poavatra. Avela ho masaka mandritra ny 2 na 3 ora amin’ny afo malefaka izany dia azo aroso avy eo.

Laisser un commentaire